1 Corinthians 11

1Alao tahaka aho, toa ahy mpaka tahaka an’i Kristy. 2Ary midera anareo aho satria mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo. Midera anareo aho satria mitazona mafy ny fombafomba araka izay nanolorako azy ireo teo aminareo ianareo. 3Ary tiako ho azonareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, fa ny lahy no lohan’ny vavy, ary Andriamanitra no lohan’i Kristy. 4Ary manala voninahitra ny lohany ireo lehilahy izay mivavaka na maminany ka misaron-doha.

5Fa manala voninahitra ny lohany ireo vehivavy izay mivavaka na maminany tsy misaron-doha. Fa tsy hafa ary mitovy amin’ny hoe vehivavy manaratra ny lohany izany. 6Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia tokony tapahina ho fohy ny volony. Raha mahamenatra ny vehivavy ny manapaka ny volony na ny manaratra ny lohany, dia aoka izy hanarona ny lohany.

7Fa tsy tokony hanarona ny lohany ny lehilahy, satria izy no sary sy voninahitr’Andriamanitra. Fa ny vehivavy dia voninahitry ny lehilahy. 8Fa ny lehilahy dia tsy natao avy tamin’ny vehivavy. Fa kosa, ny vehivavy no natao avy tamin’ny lehilahy.

9Fa tsy misy lehilahy noforonina ho an’ny vehivavy. Fa kosa, ny vehivavy no noforonina ho an’ny lehilahy. 10Izany no tokony hananan’ny vehivavy ny mariky ny fahefana eo amin’ny lohany, noho ireo anjely.

11Na izany aza, ao amin’ny Tompo, tsy mahaleo-tena amin’ny lehilahy ny vehivavy, na ny lehilahy mahaleo-tena amin’ny vehivavy. 12Fa raha avy amin’ny lehilahy ny vehivavy, dia ny lehilahy koa dia avy amin’ny vehivavy. Ary avy amin’Andriamanitra ny zava-drehetra.

13Tsarao ny tenanareo: Mety amin’ny vehivavy ve ny mivavaka amin’Andriamanitra tsy misaron-doha? 14Tsy ny natiora mihitsy aza ve no mampianatra anareo fa raha ny lehilahy no lava volo, dia fahafaham-baraka ho azy izany? 15Tsy mampianatra anareo ve ny natiora fa raha ny vehivavy no lava volo, dia voninahitra ho azy izany? Fa nomena azy ny volony mba hanaronana azy. 16Fa raha misy te-hiady hevitra amin’izany, dia tsy manana fampiharana hafa izahay, na ireo fiangonan’Andriamanitra.

17Fa anatin’ireo torolalana manaraka, dia tsy midera anareo aho. Fa rehefa miara-tonga ianareo, dia tsy ho amin’ny tsara izany fa ho amin’ny ratsy indrindra. 18Fa tamin’ny voalohany indrindra, dia reko fa rehefa miaraka miangona ao amin’ny fiangonana ianareo, dia misy fizarazarana eo aminareo, ary mino izany amin’ny ampahany aho. 19Fa tsy maintsy misy fitsitokotokoana eo aminareo, mba hankasitrahana eo aminareo ireo izay nekena.

20Fa rehefa miangona ianareo, dia tsy ny Fanasan’ny Tompo no hoaninareo. 21Rehefa mihinana ianareo, dia samy mihinana ny sakafony manokana ny tsirairay alohan’ny hisakafoan’ireo hafa. Noana ny iray, ary ny hafa lasa mamo. 22Tsy manana trano isakafoana sy isotroana ve ianareo? Ho tsinontsiniavinareo ve ny fiangonan’Andriamanitra ka hahetrinareo izay tsy manana na inona na inona? Inona no tokony ho teneniko aminareo? Tokony hidera anareo ve aho? Tsy hidera anareo amin’izany aho!

23Fa noraisiko avy amin’ny Tompo ihany koa izay ampitaiko anareo, fa Jesosy Tompo, tamin’ny alina izay namadihana Azy, dia naka mofo. 24Rehefa avy nisaotra Izy, dia nanapaka izany ary niteny hoe: “Ity ny vatako, izay ho anareo. Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy.”

25Mitovy amin’izay koa dia noraisiny ny kapoaka rehefa avy nisakafo hariva, ary niteny Izy hoe: “Ity kapoaka ity no fanekena vaovao ao amin’ny ràko. Ataovy izao na oviana na oviana ianareo no misotro, ho fahatsiarovana Ahy.” 26Amin’ny fotoana rehetra izay hinananareo ity mofo ity sy hisotronareo amin’ity kapoaka ity, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny ianareo.

27Na iza na iza, noho izany, mihinana ny mofo na misotro amin’ny kapoakan’ny Tompo amin’ny fomba tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny vatana sy ny ràn’ny Tompo. 28Aoka handinika ny tenany aloha ny olona, ary amin’izany dia aoka hihinana ny mofo ary hisotro amin’ny kapoaka izy. 29Fa izy izay mihinana sy misotro ka tsy mahafantatra ny vatana, dia mihinana sy misotro fitsarana ho an’ny tenany. 30Izany no mahatonga ny maro aminareo ho osa sy marary, ary ny sasany aminareo ho faty.

31Fa raha mandinin-tena isika, dia tsy ho tsaraina. 32Fa rehefa voatsaran’ny Tompo isika, dia mpanara-dalàna, mba tsy ho voaheloka miaraka amin’izao tontolo izao.

33Noho izany, ry rahalahiko, rehefa miangona mba hihinana ianareo, dia mifampiandrasa. Raha misy olona iray noana, aoka izy hihinana any an-trano, amin’izay rehefa miangona ianareo dia tsy ho amin’ny fitsarana izany. Ary mahakasika ireo zavatra hafa izay nosoratanareo, dia hanome toro-lalana aho rehefa tonga.

34

Copyright information for PltULB